Jiolahy mpamaky trano sy ny sakaizany voasambotry ny zandary tao Falimanjaka, fokontany Betafo, kaominina Ambohimangakely, ny 1 janoary 2024 teo. Nentin’io jiolahy io ny bisikileta saingy nifanenjehan’ny fokonolona izy ka nariany izany. Nanara-dia ny mpitandro filaminana ka noraisim-potsiny tao an-tranon’ny sakaizany io mpamaky trano io.
Lehilahy nikasi-tanana zaza tao Ankazomiriotra, naiditra am-ponja vonjimaika, afakomaly. Zaza manana kilema no nanamparany herisetra ny sabotsy 30 desambra teo ka nitory izany ny renin’ilay zaza. Voasambotra ny nahavanon-doza.
Mpiara-mivavaka 70 niara-nianjadian’ny fahapoizinan-tsakafo tao Amboasary Gara Moramanga, nandritra ny fitsenana ny taom-baovao. Fiaraha-misakafo tao am-piangonana teo amin’ireo samy mpino no niafara tamin’io voina io. Efa manaraka fitsaboana avokoa ireo rehetra lasibatra.
Nitory ny tomponadraikitra voalohany eo anivon’ ilay orinasa an-tambajotran-tserasera mampitombo vola ireo lasibatra, tetsy amin’ny Lapam-pitsarana Anosy, omaly. Olona maherin’ny 150 000 lasibatry ny fisolokiana avo lenta ka tsy hanaiky izany. Mangataka ny hanokafana fanadihadiana lalina momba ilay nitonon-tena ho solontenan’io orinasa io eto an-toerana izy ireo.