Titra maitso: tohana ho an’ny tanora ao Anôsy sy Androy

Mitohy ny fizarana kojakojam-pamokarana ho an’ny tantsaha. Nahazo ny anjarany ny tanora misitraka ny Titra maitso tao Androy sy Anosy, ny 27 sy 28 desambra lasa teo.

Fandaharanasa tantera­hin’ny fanjakana hanatrarana ny fahavitan-tena ara-tsakafo ny fanohanana kojakojam-pamokarana ny tantsaha. Tanjona ny hampiakarana ny vokatra. Avy amin’ny Tahirimbola hampiroboroboana ny famokarana (FDA) no hanatanterahina izany, ao anatin’ny tetikasa “Purpa”. Anisan’ny mpisitraka ny tanora tantsaha mpandraharaha, nahazo ny taratasin-tany ao anatin’ny tetikasa “Titra mai­tso”. Ahafahan’izy ireo ma­nom­boka ny asa fambolena taona 2023-2024 avy hatrany izany.
Nahazo ny anjarany ny any Sarimonto, kaominina Ambohi­malaza, distrika Ambo­vombe, faritra Androy, ny 27 sy ny 28 desambra 2023. Nahatratra 1 000 kg ny masomboly apemba nozaraina ho an’ny tanora tantsaha miisa 100, miampy zezika biolojika 36 taonina ary ranom-panafody hiadiana amin’ny bibikely, « Cyperméthrine » 300 litatra, « Chlorpyrphose » 300 litatra, « Imidaclopride » 100 fonosana, milanja 300 grama ny iray.
Nanatanteraka ny fizarana tany an-toerana ny solonte­nan’ny fitantanam-paritry ny Fambolena sy ny fiompiana (DRAE) Androy, notronin’ny ben’ny Tanànan’Ambohi­ma­laza.
Maherin’ny 40 000
Toraka izany koa ny tany Tsilanja, fokontany Tsirovy, kaominina Tsivory, distrika Amboasary Atsimo, faritra Anôsy. Miisa 100 ny tanora tantsaha, misitraka ny tetikasa « Titra maitso”, nahazo kojakojam-pamokarana, ahitana masomboly katsaka milanja 750 kg, taho-mangahazo 100 000 isa ary zezika biolojika 7 500 kg. Nanatrika ny fotoana ny solontena avy amin’ny fitantanam-paritry ny Fambo­lena (DRAE) Anôsy, ny FDAR Anôsy, notronin’ny ben’ny Tanànan’i Tsivory.
Raha aravona, maherin’ny 40 000 ny tantsaha misitraka kojakojam-pamokarana tamin’ iny taona 2023 iny. Nizarana masomboly vary, soja, voanjo, apemba, katsaka, sns, miampy zezika NPK sy biolojika.

Njaka
Andriantefiarinesy

Partager sur: