VAOVAO TAMBATRA

Niisa 222 848 ny mpizahatany nitsidika an’i Madagasikara, tamin’ny taona 2023. Mahavelombolo an’ireo mpisehatra amin’ny fizahantany io tarehimarika io, satria manakaiky ny tamin’ny taona 2019, talohan’ny krizy Covid-19. Toy ny tomponandraikitry ny fizahantany, ny mpandraharaha, ny mpitaridia, ny tompona trano fiantranoana, sns.
Volavolaina ny Paikadim-pirenena hampandrosoana ny sehatra tsy miankina (SNDSP), izay vinavinaina hivoaka amin’ity telovolana voalohany ity. Miaraka mikaondoha azy amin’ny fanjakana ireo vondron’ny mpandraharaha eto amintsika (Gem, Fivmpama, Sim, GEFP, CMM, EFOI, FCCIM, CTM, TTM, sns.
Miisa 57 ny orinasa nahazo alalana hanondrana lavanila any ivelany. Anisan’ny fepetra takin’ny lalàna amin’izy ireo ny hisian’ny mangaraharaha amin’ny fitantanana ny fanondranana any ivelany ataony, indrindra ny fanaovana fanekena hampodiana ny vola vahiny azony aty Madagasikara.
Hivoaka amin’ny fomba ofisialy, anio 6 janoary, ny boky « Lemurs of Madagascar », andiany fahadimy. Nanoratra azy ilay vahiny manam-pahaizana, Russell A. Mittermeier, niaraka tamin’ny Malagasy mpikaroka, toa ny Pr Jonah Ratsimbazafy, Lily-Arison R.Roland, Tiana Andriamanana, Sylviane Volampeno, S. Andriantsaralaza, S. Rajaobelina, sns.

Partager sur: