Nilamina tamin’ny ankapobeny ny fetin’ny faran’ny taona sy ny fiandrasana ny taom-baovao 2024 tao Toamasina. Misy hatrany anefa ny indrokely rehefa vanim-potoana fety toy izao.
Raha ny antontan’isa nomen’ny teo anivon’ny Hopitalibe Toamasina (CHU) Analankinina, 203 ny olona tsy maintsy nandalo fizahana maika tao amin’ny sampana misahana ny vonjitaitra, nandritra ny telo andro. Ny 120 amin’ireo tsy maintsy naiditra hopitaly mba hanaraha-maso ny toe-pahasalamany. Nahitana fihenana izany raha mitaha ny tamin’ny fetin’ny Krismasy, satria 136 no tsy maintsy naiditra hopitaly, araka ny fanazavan’ny mpitsabo ao amin’ny CHU Toamasina. Nahatratra 18 kosa ireo namoy ny ainy ka ny telo amin’ireo ihany no maty tao amin’ny hopitaly noho ny aretina nahazo. Ny 15 hafa kosa maty tany ivelan’ny hopitaly vao naterin’ny BMH tao amin’ny tranom-patin’ny hopitaly. Ny iray amin’ireo, matin’ny fisotroan-toaka diso tafahoatra. Olona 12 naratra vokatry ny lozam-pifamoivoizana, raha 13 kosa ireo tratran’ny tsatok’antsy (polisy ny iray). Olona dimy naratra noho ny fianjerana an-tatatra, valo nianjera tao an-tranony, raha efatra naratra teo am-panaovana asa. Telo kosa ireo tsy nahatsiaro tena noho ny hamamoana tafahoatra.
Nitombo ny isa
Fito narary vokatry ny fanapoizinana avy amin’ny sakafo. Olona 20 hafa nararin’izany fanampoizinana avy amin’ny sakafo izany ka tsy maintsy naiditra teny amin’ny hopitaly manara-penitra Morafeno. Nisakafo tao amina toeram-pihinana lasopy iray ao Toamasina ireto olona ireto ka izao voapoizina izao. Avy amin’ny maionezy natao tamin’ny atody tsy voatandrina no nitarika ny poizina. Nanao izay ho afany ireo mpitsabo tao amin’ny sampana vonjitaitra ao amin’ny hopitalibe CHU Toamasina, nandritra ny fety teo.
Sajo/J.C