Tratra teo am-pianihana tamboho saika hangalatra tao amina tokantrano iray eny Anjanahary II, ny jiolahy iray, afakomaly. Ny polisy miasa ao amin’ny kaomisaria boriborintany fahatelo (CSP3) Antaninandro no nahasambotra azy, nandritra ny fisafoana nataon’ny polisy tamin’iny faritra iny. Nihanika tamboho izy ka efa nilatsaka tao an-tokotanin’olona, tamin’io alina io. Hitan’ny manodidina anefa ity jiolahy ity niditra tao amin’ny faritry ny tokotan’ny tompon-trano ka niantso polisy avy hatrany izy ireo. Fotoana fohy taorian’izay, tonga ny polisy ka tratra tao an-tanàna tokoa izy efa miomanomana ny hamaky ny varavarana. Nomarihin’ny polisy fa tsy tao an-trano ny tompon-trano fa nandeha nanao fialantsasatra. Nanaraotra izany ity jiolahy ity, kanjo tratra ihany. Nentin’ny polisy avy hatrany izy. Tsy vao izao fa efa malaza ratsy amin’ny halatra miharo vaky trano amin’iny faritra Anjanahary sy ny manodidina iny. Matetika ireo jiolahy avy any an-toeran-kafa no tonga manao ny asa ratsiny eny amin’ny fokontany, raha ny fanazavana voaray.
J.C