Antsiranana: miverina indray ny foroche

Tovolahy telo sy tovovavy roa avy amin’ny fikambanan’ireo tanora mpanao herisetra (foroche) no tratran’ny polisin’ny Fip tao Antsiranana, afakomaly. Naharay fitarainana ny polisy ny zoma 29 desambra 2023, fa misy andian-jatovo mirongo antsy miady sy mifamaly ao Tanambao II. Tsy vitan’izay fa nandratra olon-tsotra iray izy ireo. Raha ny fantatra, mpikambana amin’itony andian-jatovo mpampihorohoro ao Antsiranana itony ireto tanora ireto.
Nidina tao Tanambao II ny polisy, tratra teo am-panaovana ny asa ratsiny izy dimy mianadahy. Efa nahazo fitsaboana kosa ilay lehilahy naratra. Nentina hanaovana fanadihadiana ao amin’ny kaomisarian’ny polisy ireto mpanao herisetra ireto.

J.C

Partager sur: