-Notapahin’ny federasiona iraisam-pirenen’ny rugby (IRB) taorian’ny fahavitan’ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany natao tany France, ny taona 2023 lasa teo, fa hampitomboina ho 24 ny isan’ireo firenena handray anjara amin’ny «Mondial 2027», tanterahina any Australie. Raha tsiahivina, 20 ny isan’ireo niatrika izany taloha.
-Raha tsy misy ny fiovana, hotanterahina atsy Maurice ny fiadiana ny ho tompondakan’ny ranomasimbe Indianina ho an’ny ekipa tompon’ny amboara (CCCOI), taranja handball. Eo am-piandrasana ny daty hanatontosana ny fifaninanana ankehitriny ny federasiona malagasin’ity taranja ity (FMHB).
-Miankina amin’ny federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF), ny ho fisian’ny lalao fitsapana hataon’ny Barea de Madagascar na tsia, mandritra ny datin’ny federasiona iraisam-pirenena (FIFA), ny volana marsa ho avy izao. Mitohy hatrany kosa ny fanomanantenan’ireo mpilalao avy eto an-toerana eo am-piandrasana ny fampivodronana iraisan’ny rehetra.
-Nanomboka omaly alarobia ny Rally Dakar 2024. Fifaninanana ho an’ny fiarakodia sy «camion» ary moto. Fandraisan’anjara farany ity ho an’ilay frantsay, i Peterhansel. Anisan’ireo nandrombaka fandresena be indrindra tamin’ity fifaninanana anisan’ny goavana ity ny tenany. Efa in-14 nahazo ny amboara izy teo amin’ny sokajy fiarakodia sy moto.