Lehilahy iray voasambotra; nodorany velona ny vadiny, norarahany lasantsy ny trano

Disadisa nitera-doza! Nodoram-badiny tamin’ny lasantsy tao an-trano ny renim-pianakaviana iray, tao Sambava, afakomaly. Saika niharan’ny fitsaram-bahoaka ilay rangahy.

Voasambotry ny mpitandro filaminana ilay lehilahy nahavanon-doza nandoro am-badiny tao Antsa­hapolisy, kaominina Bevo­notra, distrikan’i Sambava, afakomaly. Disadisa teo amin’izy mivady ireo no nitarika ny olana. Nohidin-drahalehilahy, araka izany, ny trano nisy ny vadiny. Norarahany lasantsy io trano io. Nodorany niaraka tamin’ny kojakojan-tokantrano ilay ramatoa. Kilan’ny afo ity farany. Potika tsy nisy noraisina koa ny tranon’izy mivady. Niditra an-tsehatra tamin’ny fanavotana ilay lasibatra ny fandorana ny mponina tao an-toerana.

Manaraka fitsaboana…
Nentina notsaboina ao anivon’ny CSB I Antsahapolisy avy hatrany ilay ramatoa. Nikasa hisambotra ilay lehilahy nahavanon-doza ny fokonolona. Tsy nanaiky io habibiana natao tamin’ilay vehivavy io ny fianakaviany. Naneho ny hatezerany nanoloana an’ilay lehilahy nahavanon-doza ireto farany ary saika hampihatra ny fitsaram-bahoaka. Nandamina ny toe-draharaha ny zandarimaria miasa ao an-toerana. Nosamborina io lehilahy nandoro am-badiny io ary notanana hatao famotorana eny amin’ny manampahefana.

Tsiferana R.

Partager sur: