Kitra – Lalao fihantsiana : firenena 4 mangataka hidona amin’ny Barea

Ao anatin’ny fametrahana ny fandaharam-potoana amin’ny fiatrehana lalao fihantsiana sady hitsapana ireo mpilalaon’ny Barea ny mpanazatra sy ny federasiona amin’izao fotoana. Fantatra àry fa firenena efatra mangataka ny hidona amin’ny Malagasy.

1 volana sy tapany, mialoha ny hahatongavan’ny datin’ny federasiona iraisam-pirenen’ny baolina kitra (FIFA), efa eo am-panatontosana fifanarahana amin’ny hanatontosana lalao fihantsiana sy firahalahiana ho an’ny Barea de Madagascar ny federasiona malagasy (FMF) ankehitriny. Araka ny fanadihadiana natao, miisa efatra ny firenena mangataka hidona amin’ny ekipam-pirenena malagasy. Anisan’ireny ry zareo RD Congo sy ny Bafana Ba­fana Afrika Atsimo, Mozam­bi­que ary i Zambie. Izy rehetra ireo izay samy hiatrika ny “Can-Côte d’Ivoire 2024”, manomboka ny sabotsy ho avy izao.
Andrasana ao anatin’izany fifampiresahana amin’ireo firenena ny daty sy ny toerana hanatontosana ny fihaonana. Raha ny fanirian’ny federasiona aloha, hatao etsy amin’ny kianjaben’i Mahamasina ny lalao, raha raikitra. Tafiditra ao anatin’ny fanomanana ny andro fahefatra sy fahadimy amin’ny fifanintsanana hiadian-toerana ho an’ny “Mon­dial 2026” izany. Raha tsiahivina, handray an’i Comores laharana voalohany vonjimaika sy i Mali, faharoa ao amin’ ny vondrona “I” ny Barea, ny volana jona ho avy izao. Zava-dehibe ireo fihaonana ireo, araka ny nambaran’ny Me Rôro mpanazatra, satria mila maka isa 6 amin’ireo lalao roa ireo, mba hahatsara toerana ny Barea de Madagascar.
Rakotondrabe Romuald (Rôrô), lasa any Frantsa, ny alahady lasa teo. Hanatontosa fiofanana mandritra ny iray volana any an-toerana ny tenany ka anisan’ireny ny ao amin’ny Paris FC sy ny RC Lens. Mety hisy ihany koa ny fitiliana mpilalao vaovao handrafitra ny Barea de Madagascar, amin’izao diany any Frantsa, izao.

Tompondaka

 

Partager sur: