Filoha Rajoelina Andry : “Aoka tsy hokorontanin’ny sasany ny saintsika…”

Nomarihiny ny asabotsy teo ny fanombohana amin’ny fomba ofisialy ny asa fanamboarana ny lalambe migodana “Autoroute” hampitohy an’ An­tananarivo sy Toamasina. Nanomboka izany tao Am­bolo, Talata Volonondry ny filoha Rajoelina Andry.
Nambarany fa manatanteraka ny asa isika izao ary miasa haingana. Mamaly ny ambaran’ny sasany fa tsy ho vita io… Tsy ho tanteraka ary afaka efa-taona izany vao hatao. “Tsy mitovy ny fomba fijery sy ny fomba fiasa. Vita ny asa rehetra rehefa manam-pinoana… Aza manaiky korontanin’ny hafa ny saintsika”, hoy izy. Nanteriny fa homena onitra ireo toerana lalovan’izany lalana izany. Hitondra fampandrosoana eo amin’ny lafiny sosialy sy toekaren’ny faritra Atsinanana sy Alaotra Mangoro ary Anala­manga izany, araka ny nambarany. Notsindriny fa vahaolana entin’ny fitondram-panjakana manoloana ny fitomboan’ny fiara mivezivezy amin’ iny lalam-pirenena faharoa iny izao. Anisan’izany ireo fitaterana entana avy any Toamasina, mihazo an’An­ta­na­narivo efa mihoatra ny vesatra araka ny tokony ho izy ka mahatonga ny lalana ho si­m­ba sy potika foana isan-taona.
“Fanamby napetraka ny tsy maintsy hanaovana ity la­lambe migodana ity. Tan­jona ny mba ho Madagasikara lasa maoderina sy fitaratra eto amin’ny ranomasimbe In­di­a­na. Tsy ny anarako no tiako hitoetra, fa ny asa sy ny fotodrafitrasa holovain’ny taranaka faramandimby”, hoy ny filoha.

Manoratra ny tantara isika

Nambarany fa miaraka manoratra tantara isika, miaraka manova tantara ary miaraka mampandroso ny firenena, araka ny efa nambarany tamin’ny fampielezan-kevitra.
Anisan’ny tombony amin’ny lalambe migodana ny fihenan’ny saran-dalana. Hihena hatrany amin’ny 50% ny fandaniana rehetra, araka ny nambarany.
Tsiahivina fa natao sonia ny 3 novambra teo ny fiaraha-miasa ho fanatanterahana ny asa ka hisahana ny fanamboarana izany ny orinasa ejiptiana Samcrete. Manana ny traikefa sy ny lazany maneran-tany amin’ny fanamboarana fotodrafitrasa goavana momba ny “Autorute” izy ireo.

Synèse R.

Miala etsy Tsarasarotra ary mihazo an’i Sabotsy Na­me­hana izany. Mandalo an’Am­bo­himanga Rova sy eny Ta­lata Volonondry. Tonga hatrany Anjozorobe sy Andaingo ary manohy hatrany Toa­ma­sina ilay “Autoroute”. Mirefy 260 km ny lalana ary vita ao anatin’ny ora roa ny fandehanana aminy. Ahitana foibe fandoavam-bola miisa enina sy fitaovana fanaraha-maso “Camera” sy “Radar”. Eo koa ny fitaovana fanisana ny isan’ ny fiara mizotra amin’izany lalambe migodana izany. Ahitana sampanana amin’ny RN44.

Partager sur: