«IFFR 2024»: handray anjara ny sanganasan’i ‘Hachimiya Ahamada

Anisan’ny handray anjara amin’ny “Festival international de film Rotterdam” (IFFR) ny sarimihetsika «Zanatany, L’empreinte des linceuls es­seulés» an’i ‘Hachimiya Ahamada. Sarimihetsika ma­ne­ho ny zava-nisy tany amin’ ny faritanin’i Mahajanga, indrindra ny fifandraisan’i Madagasikara tamin’ny nosy Comores, ny taona 1976. Sambany handray anjara amin’ny hetsika lehibe izy ity. Ny IFFR izay tanterahina ny 25 janoary 2024 hatramin’ny 4 febroary 2024, any Rotterdam, Pays Bas.
Fahombiazana indray ny an’ny ekipa mpanatontosa ny sarimihetsika «Zanatany, L’empreinte des linceuls esseulés» amin’izao nahavoafidy azy handray anjara amin’ ny IFFR izao. Izy io izay azo sokajina ho vakoka, na eo amin’ny vontoatiny, na eo amin’ ny nanatontosana azy. Ma­ne­ho ny tantara sy fifandraisan’i Madagasikara sy Comores izy eo amin’ny vontoatiny. Fa­kan­tsary “Aaron Xtera” sy “Lens Elite Super 16mm, Eyelite Brussels” no nanatontosana azy. Izany rehetra izany no anisan’ny na­havoafantina azy hifaninana handrombaka ny “Prix Tigre d’or”, izay amboara amin’ity hetsika ity.
Efa hatramin’ny taona 1972 no nisian’ny IFFR. Efa maro ny mpanatontosa sy mpisehatra eo amin’ny sarimihetsika maneran-tany nandalo tamin’izany. Ambohipihaonan’ ny mpiantsehatra amin’ny sarimihetsika ihany koa ny hetsika toy izao. Mandritra ny IFFR, hisy ny fandefasana ireo sarimihetsika mandray anjara, hojeren’ny mpanatrika.

Lin

Partager sur: