Rugby vehivavy : hampiantrano ny Can indray i Madagasikara

Fanindroany amin’izao no handray ny fifanintsanana hiadiana ny amboaran’i Afrika, taranja rugby vehivavy, i Madagasikara. Hotanterahina ny volana mey izany.

Hotanterahina eto Mada­gasikara, ny 2 – 13 mey ho avy izao ny fiadiana ny amboaran’i Afrika “Can 2024”, taranja rugby à XV, sokajy vehivavy. Manamafy izany ny fambaran-dRako­to­ma­lala Marcel, filohan’ny Ma­la­gasy Rugby, teny Ando­ha­ta­penaka, ny zoma lasa teo.
Miisa efatra ny firenena handray anjara. Anisan’izany i Madagasikara mpampiantrano, i Afrika Atsimo, tompondaka farany, i Kenya ary i Cameroun. Hiatrika ny “Mondial 2025” izay mandrombaka ny amboara. Hanao ny “Mondial 2025” diviziona faharoa kosa izay mahazo ny laharana faharoa.
Fanindroany no handray “Can” i Madagasikara. Ny voalohany, tamin’ny taon-dasa 2023. Nandrombaka ny amboara tamin’izany, ny Springboks Afrika Atsimo. Faharoa i Kenya ary fahatelo, ny XV Makis Ladies.

Fifaninana maro
Ankoatra izay, maro ny fifaninanana iraisam-pirenena mi­an­dry ny Makis, lahy sy vavy, amin’ity taona ity. Anisan’izany ny AROI, ho an’ny U16 lehilahy sy ny U18, lahy sy vavy. Fi­ha­o­na­na hotanterahina atsy La Réu­nion, ny 8 sy ny 9 marsa ho avy izao. Ny lalao Afrikanina hatao any Ghana, ny 8 hatra­min’ny 23 marsa 2024.
Raha ho an’ny eto an-toerana indray, hisy ny fihaonana ho an’ny tanora U16, U18, ny U20 sy “Fédérale II” ary ny “Top 12” amin’ity taom-pilalaovana ity. Hikarakara fifanintsanana Rugby à 7 ihany koa ny Malagasy Rugby. Raha tsy misy ny fiovana, hanomboka ny volana febroary ho avy izao, ny “Top 12”.
Tsiahivina fa nahazo vokatra tsara ny Makis, tamin’ny taon-dasa, raha teto amin’ny faritry ny ranomasimbe India­ni­na. Nandrombaka ny medaly vo­lamena, na lahy na vavy teo amin’ny rugby lalaovin’olona 7, nandritra ny lalaon’ny Nosy, JIOI 2023, natao teto Mada­gasikara.

Fitia Randria

Partager sur: