« Afrobasket 2025 »: hiatrika ny dingana manaraka ny Ankoay

Tafakatra avy hatrany amin’ny fifanintsanana voalohany amin’ny « Pré-qualification » « Afro­basket 2025 » i Mada­gasikara, araka ny fanapahan-kevitra noraisin’ny Fiba, omaly 16 janoary 2025. Antony ny fialana an-daharana, tamin’ny ora farany, nataon’ny ekipa tanzaniana, izay mpifanandrina tokana tokony hifandona amin’i Madagasikara. Raha ny fandaharam-potoana, tokony hotanterahina anio ny lalao voalohany eo amin’ny roa tonta saingy izao nofoanana izao, raha toa ka ny 19 janoary kosa ny lalao faharoa. Tsiahivina fa ekipa 3 tany am-boalohany no tao anatin’ny vondrona misy an’i Mada­gasikara amin’ity « Pré-qualification » ity, nahitana an’i Dji­bouti sy Tanzania (nivoaka tao amin’ny Zone 5). Niala an-daharana avokoa anefa ireo ekipa 2, ankoatra an’i Mada­gasikara. Lojika, araka izany, fa hiatrika ny dingana manaraka avy hatrany ny Ankoay, ny 19 hatramin’ny 27 febroary izao, izay hatao any Egypta.

Mi.Raz

Partager sur: