Clan Pyramide sy Stand of  : Andian-jaza maditra noravan’ ny polisy

Mihanaka manerana ny Nosy ny fikambanan-jaza maditra. Midoroka, manolana, mandroba, mamono izy ireo, araka ny fanazavan’ny polisy. Rava omaly ny Clan Pyramide sy Stand of.

Andian-jatovo manodidina ny 14 hatramin’ny 18 taona izy ireo izay samy manana ny toerana ipetrahany. Mifanafika izy ireo ka lasa miteraka fitaintainana sy fikorontan-tsaina ho an’ny mponina ao an-drenivohitry ny faritra Atsinanana. Araka ny fanazavan’ny lehiben’ny kaomisaria foibe Toamasina (Commis­sariat Central), ny kaomisera Rakotondrainivonona Panoël Tsiky, misy ny fisiana andian-jatovo manao herisetra ao Toamasina. «Nanao ny angom-baovao rehetra ny polisy ka nisy 13 tamin’ireo andian-jatovo ireo nanaovana fanadihadiana. Ny zavatra ataon’ireto andian-jatovo ireto. Mizara fikambanana roa izy ireo : ny Clan pyramide sy Stad of», hoy ny fanazavany. Mifaninana sy mifanindry amina gadon-kira rap ry zalahy ireto. Mifaninana ihany koa amina resaka fitiavana (miady vehivavy). Rehefa mandalo ny avy amin’ny clan iray dia manao herisetra amin’ny clan iray. Raikitra eo ny fifandrafiana tonga hatrany amin’ny fifandonana. Misy aza tonga hatrany am-pianaran’ireo na­many izany. «Misy andraikitry ny ray aman-dreny amin’ny trangan-javatra toy izao indrindra ny fanaraha-maso ny za­na­ny eny anivon’ny fiarahamonina», hoy ny voalazan’ny kaomisera Rakotondrainivonona.

Niova anarana hafa indray taty aoriana…
Misy amin’ireo zatovo ireo no nosamborina avy hatrany, misy kosa ireo naterin’ny ray aman-dreniny raha tao ireo nanatona ireo polisy mivantana. Nandray ny andraikiny, araka izany, ny polisy ka nosamborina izy ireo mba hisorohana ny loza mety hitranga mandritra ny fifandonana. Nihevitra ireo ray aman-dreny sasany nandrara ny zanany tsy hiditra ao anatin’io fikambanana io fa efa rava izany. Niova anarana ho MZR (Morafeno Zone Rouge) indray ilay fikambanana mpanao herisetra. Nanamafy ha­trany ny polisy fa mila hentitra ny ray aman-dreny amin’ny fa­na­raha-maso ny zanany. Re­hefa tena maditra tsy laitra fe­hezina dia azo atao ny miantso polisy mba hananatra azy.

Sajo/J.C

Partager sur: