Niatrika mpitsara mpanao famotorana omaly ilay mpimasy voarohirohy ho tompon’antoka tamin’ny fanolanana sy fanapahana ny lohan’i Nathalie, tovovavy 14 taona hita faty teny Faravohitra, ny talata teo. Niaiky ny heloka vitany hatrany ity mpimasy ity, nandritra ny famotorana lalina natao azy teny anivon’ny fampanoavana. Nohamafisiny manoloana ny fampanoavana hatrany fa nanaovany sorona tamina doany eny Andranoro ny lohan’i Nathalie. Nalefa eny amin’ny fonjaben’i Tsiafahy izy taorian’ny fanadihadiana azy. Marihina fa tamin’ ny fomba feno habibiana no namonoana an’i Nathalie rehefa nalainy an-keriny teny an-tranon’ny ray aman-dreniny. Nolazainy fa mahita asa ho an’io tovovavy niharam-boina io izy. Tsy nisy akory anefa izany fa ny fatiny nihosin-dra, tsy misy lohany nofonosina tanaty gony nofatorana kidoro no hitan’ny fianakaviana. Ny lohany kosa nentiny teny amin’ny doany eny Andranoro.
J.C