Olona dimy nidoboka am-ponja noho ny halatra tany tao Marotazana, fokontany Voninahitrinitany, kaominina Marondy, distrikan’Ankazobe, afakomaly. Voasaringotra tamin’izany ny olona miisa valo mianadahy. Nanamboaran’izy ireo karatany antsokosoko ny tany iray efa manan-tompo. Naiditra am-ponja avy hatrany ny dimy tamin’ireo voasambotra.
Mpivady niara-niasa miambina tanàna sy manadio trano tratra nangalatra tao Toamasina, omaly. Nafaran’ny mpampiasa azy avy aty Antananarivo izy mivady. Niasa ara-dalàna izy ireo nanomboka ny alatsinainay teo. Nangalarin’izy mivady anefa ny entana tao an-trano rehefa tsy tao ny tompon-trano, omaly. Tratran’ny polisy ary hatao famotorana izy mivady ireo.
Voasambotry ny polisy teny Anosibe, afakomaly, ireo jiolahy fito malaza ratsy amin’ny fanendahana sy fandraisana entana halatra. Noho ny firongatry ny asan-jiolahy eny amin’iny faritra iny, nametraka paikady manokana ny polisy hiadiana amin’izany. Nandritra ny fisafoana nataon’ny polisy no nahatrarana jiolahy iray nanendaka tovolahy iray. Tratran’ny polisy izy ka nanondro ireo namany mpiaraka manao asa ratsy aminy.