FANTINA sy FINTINA

Tapaky ny Fikambanan’ny zanaky ny faritanin’i Fianarantsoa (Fizafafi) fa tsy ho filoha mpitantana izany intsony ny filoha mpanorina, Razanamahasoa Christine. Ny filoha lefitra enina avy amin’ny faritra mandrafitra ny faritanin’i Fianarantsoa no mitondra ny fikambanana mandra-pahatapitry ny fe-potoam-piasan’izy ireo, araka ny sata mifehy ny fikambanana.

Niverina ny fandaharana “Tsy ho tompon-trano mihono” ao amin’ny RNM sy ny TVM ary ireo haino aman-jery tsy miankina samihafa, nanomboka omaly. Hisahana izany ny mpitondra tenin’ny governemanta, ny minisitry ny Fampianarana tekinika sy ny minisitry ny Serasera. Hitondra ny fanapahan-kevitry ny filankevitry ny governemanta sy ny filankevitry ny minisitra izy ireo amin’izany.

Nihaona tamin’ny minisitry ny Fitsarana, Randriamanantenasoa Landy Mbolatiana, teny Faravohitra, omaly, ny Mpandrindra ny rafitry ny Firenena mikambana (ONU) monina eto Madagasikara, i Issa Sanogo. Nilaza ity farany fa hita mivaingana ny vokatra sy ny asa vita tamin’ny taon-dasa. Nampahery ny minisitra amin’ny andraikitra mbola miandry azy eo anivon’ny ONU izy.

Partager sur: