Fanamboarana mofo: hiady ny tompondaka maneran-tany ny Malagasy

Tanterahina ny 21 sy 22 janoary 2024, ao Paris Fran­tsa, ny «Coupe du monde de la Boulangerie 2024». Fire­nena 12 no mandray anjara amin’ny fifaninanana. Anisan’ ny mandray anjara amin’izany i Madagasikara. Mitarika ny delegasiona i Chef Frank Williams Hart, mpanazatra. Efa vonona tanteraka ny ekipa malagasy, hanandratra avo ny tontolon’ny haify sy ny nahandro malagasy.
Nigadona tany Paris, omaly, izy efatra mianadahy hiatrika ity fifaninanana ity. Efa vonona tanteraka ry Chef Toky Ramà sy Chef Toavina ary Chef Joachin. Hifanan­drina amin’ny firenena hafa toa an’i Allemagne, Chili, Chine, Corée du Sud, Côte d’Ivoire, France, Ghana, Grèce, Japon, Maroc, Mexique, i Mada­gasikara.
Ny hatsaran’ny mofo no tena hasongadina ao anatin’ ity fiadiana ny amboara maneran-tany ity. Lohahevitra amin’ izao andiany izao ny hoe fifaninanana ara-panatanjahantena. Haify sy nahandro mifanaraka amin’izay, araka izany, no hitsarana ny mpifaninana rehetra.
Marihina fa ny alatsinainy 22 janoary 2024 no hiaka-tsehatra ny ekipa malagasy, miaraka amin’ny ekipan’ny Corée du Sud, France, Japon, Maroc ary i Mexique.

Lin

Partager sur: