« Sorakanto » ivondronan’ireo mpanao gazety mikirakira ny kolontsaina. Mandia ny faha-12 taonany ny fikambanana ankehitriny. Maneho ny heviny momba ity tontolo iray ity Randriamiarantsoa Faly, filohan’ny « Sorakanto ».
Nisy ny dingana vita… Mbola maro ihany koa ireo asa miandry. Feno 12 taona ny nijoroan’ny « Sorakanto », fikambanana ivondronan’ireo mpanao gazety mikirakira ny vaovan’ny kolontsaina. Ny sabotsy 27 janoary teo no nanamarihana io tsingerin-taona io. Fihaonana nanatanterahina tatitra sy fifanakalozana samihafa.
Notsiahivin-dRandriamiarantsoa Faly, filohan’ny fikambanana « Sorakanto », fa : « Tao anatin’ny 12 taona nisian’ny fikambanana, anisan’ny ezaka natao ny fitondrana fampiofanana ho an’ireo mpikambana mba hahafahan’ireo mpanao gazety mikirakira ny vaovao momba ny kolontsaina manaraka ny fenitra takin’ny asa fanaovan-gazety sy ny fanajana ny asa sy ny lalàna mifehy izany ka hiavahany amin’ny olona tsotra mpilaza na mpanapariaka vaovao ao amin’ny tambajotra facebook, ohatra ».
Mbola miatrika zava-tsarotra
« Azo lazaina fa mbola mananosarotra ny andraikitry ny mpanao gazety mikirakira ny kolontsaina. Ny antony, somary ambanin-javatra ny vaovao momba ny kolontsaina raha oharina amin’ny vaovao hafa. Rehefa vaovao ratsy vao mahazo vahana ny vaovaon’ny kolontsaina. Halefa any amin’ny pejy voalohany, na tononina voalohany, sns », hoy Randriamiarantsoa Faly, filohan’ny « Sorakanto ». Sanatria, rehefa misy ny fahafatesan’ireo mpanakanto manana ny lazany, vao hita misongadina eny amin’ny pejy voalohan’ny gazety ny vaovao. Nohamafisiny fa « Toy ny sehatra rehetra, miaina miaraka amin’ny firobororoboan’ireo fampahalalam-baovao amina tambajotran-tserasera ihany koa ny vaovao momba ny kolontsaina. Toy ny mpanao gazety rehetra, tsy maintsy atao ny fanamarinam-baovao. Noho izany, ho an’ny mpanao gazety momba ny kolontsaina, loharanom-baovao ihany ireo tambajotra samihafa ».
HaRy Razafindrakoto