Notanterahina tetsy amin’ny Cercle Germano-Malagasy (CGM) Analakely, afakomaly, ny fampisehoana tantara fihaino sy ny tontolony, nampitondraina ny lohateny hoe : “Misy Mihaino?”. Hetsika nokarakarain’ny Faribolana Sandratra. Nahitana ireo mpandray anjara sy mpilalao fototra hafa ao anatin’ny tantara izany. Hita teny an-toerana ry Rabearimanana Christophe, Nofy, Zo Maminirina, Niravo, Randrianatoandro Sylivia, Hanjariliva…
Nampiavaka ny fampisehoana ny fahitana mivantana ireo mpilalao fototra sy ny tantara lalaoviny. “Nezahina ny hampiaina mivantana ny tantara faheno an’onjampeo, ho an’ny mpankafy”, hoy i ny tomponandraikitra sy mpikarakara ny hetsika. “Raha mihaino sy maminavina na maka sary an-tsaina fotsiny ihany ny tantara any anaty onjampeo. Miaina mivantana ary mahita ny fomba filalaon’ny mpandray anjara mivantana kosa nandritra ny hetsika”, hoy ny mpankafy iray tonga nanatrika. Hetahetan’ny mpankafy ny hitohizan’ny hetsika sy ny hitondrana fanatsarana ny filalaovana tantara amin’ny onjampeo eto Madagasikara. Fanirian’izy ireo hatrany ny mba hisian’ny tantara ho azo lalaovina sy hojerena amin’ny fahitalavitra.
Marihina fa tafiditra ao anatin’ny fankalazana ny faha-35 taona nijoroan’ny fikambanana Faribolana Sandratra ny fampisehoana.
Mino