Voaantso teny amin’ny fitsarana Anosy i Mahery Lanto Manandafy (Malama) omaly maraina. Ny raharaha mikasika ny famoaham-baovao tamin’ny alalan’ny tambajotran-tserasera, momba ilay vazaha (Olivier Blancard) mpamatsy bala ny dahalo ity niakarany fitsarana ity. Tsy tonga teny an-toerana io vazaha nitory azy io satria tsy nahavoaray ny fiantsoana azy, raha ny voalaza. Vokany, nahemotra amin’ny 31 janoary 2023 ny fitsarana tokony hatao azy.
“Efa nampoizina ihany izao fanemorana izao”, hoy i Doris Rakoto Samuel, vadiny. “Mitady ny fomba rehetra handetehana an’i Malama lalindalina kokoa ny fanjakana, anisan’izany, ny fanadihadiana lalina azy ny 28 novambra teo mikasika ny raharaha valizin’ny filoham-pirenena”, hoy ny fanazavana hatrany. Hitazomana an’i Mahery any am-ponja fotsiny ny anton’izao satria afaka mivoaka izy rehefa tapitra ny fe-potoana hitazomana azy any, hoy hatrany izy. Etsy an-daniny, tsy ara-dalàna ny fahataran’ny fiantsoana azy hiakatra fitsarana. Tokony hampahafantarina herinandro mialoha farafaharatsiny izany, hoy i Doris Rakoto Samuel.
Tsy nangataka hivoaka
Tsy haka fahafahana vonjimaika no sady tsy haka mpisolovava i Malama, raha ny fanazavana. Tsy hamoaka anaran’olona ihany koa izy mikasika ity raharaha ity mba hitandroana ny ainy. “Efa porofo mivaingana ny fanazavana nataon’ny Jeneraly Serge Gellé, ny 24 novambra teo, fa misy tokoa ny fidirana basy mahery vaika an-tsokosoko eto amin’ny Nosy”, hoy hatrany ny fanazavany.
Mandra-pahatongan’ny andro hitsarana an’i Mahery Lanto, andrasana ny “audition” mikasika ny fitoriana nataony an’io vazaha io, izay nandrahona ho faty azy ary ny raharaha valizin’ny filoham-pirenena. Marihina fa naiditra am-ponja vonjimaika ny 30 septambra teo izy ary feno telo volana amin’ny 30 desambra izao.
Mino ( Mpianatra Asa)