Hiatrika ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja rugby ho an’olona 7, ny Makis Madagasikara amin’ity. Hiady ny tapakila hiatrehana ny “Challenger Series 2027” izy ireo. Iray vondrona amin’i Kenya sy i Namibie i Madagasikara amin’ity.
Hotanterahina atsy Maurice ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika na “Africa Men’s Sevens Series”, taranja rugby lalaovina olona 7, sokajy lehilahy. Hampiantrano izany, ny sabotsy 3 sy ny alahady 4 oktobra ho avy izao, ny Kianja Sparc, Cascavelle. Anisan’ ireo firenena valo hiady ho lohany amin’izany ny Makis Madagasikara. Ao amin’ny vondrona “B” no misy azy ireo izay azo lazaina fa tafiditra anatin’ny sokajy maozatra. Tafaraka amin’i Namibia sy i Kenya ary i La Réunion. Hanala vela amin’i Kenya, amin’ity, ny Makis. Raha tsiahivina, resin-dry zareo kenyanina nandritra ny manasa-dalana tamin’ny taon-dasa ny ekipa malagasy. Efa ao anatin’ny tsipika mahitsy farany amin’ny fanomanantena, ankehitriny, ny Makis. Fanamafisana ny taktika sy fanitsiana ireo fahadisoana kely mety hitranga sisa no ataon’ny mpanazatra. Anisan’ireo mpifanandrina tsy maintsy ho dinganiny ihany koa ry zareo Namibianina. Tsy mbola nandresy ny Makis aloha ireto farany, raha rugby lalaovina olona 7. La Réunion indray heverina fa tsy hahasakana ny Makis. Nandritra ny Lalaon’ny Nosy farany natao teto Madagasikara, tsy afaka teo anatrehan’ny Makis izy ireo, ka heverina fa tsy hifanalavitra amin’izay ny amin’ity.
Ho an’ny sokajy “A” indray, hiavaka ny Springboks Afrika Atsimo, tompondaka farany. Tafaraka amin’i Burkina Faso, Maurice mpampiantrano ary i Egypte. Raha ny lojika, hivoaka ho voalohany ny Springboks ao amin’ity vondrona ity. Miatrika ny lalao manasa-dalana ny roa voalohany isaky ny sokajy avy eo. Marihina fa lalao ho an’ireo firenena 8 voalohany aty Afrika izy ity. Hiatrika ny “Challenger Series 2027” izay voalohany amin’izany.
Tompondaka





