Voaroba tao anaty taxi-be, tetsy Anosizato Atsinanana ny vehivavy iray, omaly antoandro. Nanapoaka basy ny olon-dratsy nakana ny vola sy ny firavaka teny aminy.
Tsy mifidy toerana hanaovana ny asa ratsiny intsony! Jiolahy roa lahy nitondra moto “scooter” indray no nandroba ramatoa nandeha taxi-be, omaly atoandro tokony ho tamin’ny 11 ora sy sasany. Avy any amin’ny lalan’ny Fasan’ny karana, nijanona teo amin’ny fiantsonana “arrêt-vaovao” Anosizato-Atsinanana hanala olona ilay taxi-be. Kinanjo, nirefotra tampoka ny basy. “Noheverinay fa nipoaka ny kodiarana kanefa nisavoritaka ireo tao anatin’ny taxi-be”, hoy ireo nanatri-maso. Nivoaka tao anatin’ny taxi-be ny lehilahy iray nitondra basy (PA) niaraka tamin’ny sakaosikely, niakatra teo ambonin’ilay moto izy roa lahy ary nirifatra nandositra. Tsy nijanona noho ny tahotra ny mpamily ny taxi-be fa nanohy ny lalany nihazo ny “rond-point” Anosizato. Nijanona teo afovoan’ny arabe anefa ny fiara ka nanatona ny polisy.
Mpanao “versement”
Tamin’ny alalan’ny fanadihadiana nataon’ny polisy, ramatoa mpanao “versement” ity lasibatra ity. Noheverin’ ireo jiolahy fa nitondra volabe izy ka narahan’izy ireo. Tao anaty taxi-be ireo roa lahy ary efa napetraka tsy lavitra ny fiantsonana ny moto. Vantany nijanona ilay taxi-be, nidina nanambana basy ny mpamily ny iray tamin’ireo jiolahy. Nisintona ny poketra sy nanendaka ny firavaka teny an-tanan’ilay ramatoa kosa ny namany. Vaky nandositra izy ireo taorian’izay. Nitentina telo hetsy ny vola lasan’ireo olon-dratsy ireo niampy ny firavak’ilay lasibatra. Tsy vitan’io, noraofin’ilay nanapoaka basy koa ny vola matin’ilay mpamily. Nizotra nihazo an’Anosibe taorian’io ilay “scooter” nentin’ireo jiolahy roa lahy. “Tena nandeha mafy ary tsy nisaron-tava ireo jiolahy ireo fa nanao arovava orono fotsiny”, hoy ny polisy. “Nampandre ny namanay teny Anosibe hanakana azy ireo izahay saingy tsy hita intsony ireo jiolahy ireo”, hoy ireto farany. Marihina fa tsy nisy naratra tao anatin’ilay taxi-be.
Tsy milamina
Tsy vao sambany, matetika itrangana asan-jiolahy eny amin’ity faritra manodidina an’Anosizato-Atsinanana ity. Tsy ampy tapa-bolana, telo lahy nikasa hangalatra moto teo aloha kelin’ity fiantsonan’ny taksiborosy ity no voasambotra. “Nitazatazana ny moto tao amin’ilay orinasa tsy lavitra io ireo jiolahy saingy tsikaritry ny mpiambina”, hoy ny nanatri-maso. Efa narahin’ny mpitandro filaminana koa ireo jiolahy ireo ka voasambotra teo noho eo ny telo. Nitsoaka nandositra ny iray. Mandry tsy lavo loha arak’izany ireo mponina eny an-toerana.
Tsiferana Randriatiana