Mitsidika eto amintsika ny filoha lefitry ny Banky Iraisam-pirenena ho an’ny faritra Afrika Atsinanana sy Atsimo, Victoria Kwakwa. Noraisin’ny filoha Rajoelina Andry teny Iavoloha ny tenany sy ireo delegasiona niaraka taminy.
Nanaovana jery todika ireo seha-piaraha-miasa eo amin’ny Banky Iraisam-pirenena sy Madagasikara. Anisan’izany foto-drafitrasa toy ny lalana, ny fanabeazana, ny fanjarian-tsakafo sy ny fahasalamana, ny angovo, ny fampiasana ny haitao ara-kajy mirindra. Eo koa ny fampiroboroboana ny fambolena sy ny fiarenan-dohan’ireo mponina any atsimo ary ny tontolon’ny fandraharahana
Nankasitraka manokana ny Banky Iraisam-pirenena ny filoha Rajoelina Andry ary nilaza fa mpiara-miombon’antoka stratejika amin’ny fampandrosoana ny firenena izy ireo.
Fanatrarana ny fahatarana
Etsy andaniny, nanambara i Victoria Kwakwa fa mitovy ny tanjon’ny roa tonta. Anisan’izany ny fanatrarana ny fahatarana eo amin’ny fampandrosoana sy ny fanafoanana ny fahantrana eto amintsika. Niarahaba manokana ny filoha ireo delegasiona amin’ ny vina ananany sy ny fahavononany hiatrika ireo fanamby amin’ny fampandrosoana ny firenena. “Vonona ny hiara-dia sy hanohana an’i Madagasikara hatrany izahay hanatanteraka ireo fanamby ireo”, hoy izy. Araka izany, mihamafy hatrany ny fiaraha-miasa eo amin’ny andaniny sy ny ankilany. Tafiditra ao anatin’izany ny fitsidihana nataon’ireo tompon’andraikitra ambony eo amin’ity mpamatsy vola ity teto amintsika hatramin’ny taona 2019.
Synèse R.