Ho fiarovana ny zaza malagasy : mila sokafana ny fanabeazana ara-pananahana ho an’ny zatovo

Tanora eo anelanelan’ny 10 hatramin’ny 24 taona ny 32%-n’ny Malagasy. Efa mi­ro­so aloha loatra amin’ny fanaovana firaisana ara-nofo avokoa ny ankamaroan’ny ankizy sy ny zatovo ankehitriny, raha ny zava-misy eto Madaga­sikara. Noho ny tsy fahampian’ny fanabeazana mahakasika eny anivon’ny fianakaviana sy ny sekoly no anton’izany.

Efa miroso sahady amin’ny firaisana ara-nofo ny 9%-n’ny zatovolahy la­tsaky ny 15 taona, araka ny fanadihadiana nataon’ny ENSOMD tamin’ny 2012-2013. Raha toa ka latsaky ny 18 taona kosa ny 50%-n’ny zatovovavy. Vokany, vehivavy folo isan’andro no maty eo am-piterahana ka tanora avokoa ny telo amin’izy ireo. “Mendrika hotohanana, amin’ny lafiny ara-pahasalamana, indrindra ny resaka ara-pana­nahana izy ireo”, hoy ny Dr en Pharmacie Rakotomalala Rina. «Tsy misokatra amin’ny ray aman-dreny ny tanora rehefa tonga eo amin’ny adolatsento, indrindra mikasika ny tontolon’ny ara-pananahana », hoy hatrany izy. Lasa mitady vahaolana any amin’ny fiarahamonina sy ny namany izy ireo. Nisy, araka izany, ny hetsika nokarakarain’izy ireo tetsy Antaninarenina omaly, mba hanampiana ny tanora malagasy.
« Mila fahalalana betsaka mahakasika ny fanabeazana ara-pananahana ny zatovo rehefa eo anelalenan’ny taona 13 hatramin’ny 15 taona », hoy ny Sexologue, Dr Andria­ma­sinirina Jureville. «Tsy mandroso mihitsy i Mada­gasikara raha tsy sokafana ny fanabeazana ara-nofo», hoy hatrany izy. Mba hiarovana ny tanora sy ny ankizy eto Madagasikara sy hialana amin’ireo tranga maro mamoafady rehetra misy eto an-toerana. Tokony handray andraikitra ny rehetra raha tiana handroso i Madagasi­kara. Amin’ ny alalan’ny fanokafana ny sehatry ny fanabeazana ara-nofo eto amin’ny firenena izany. Atomboka any am-pianarana sy any anivon’ny tokantrano izany, raha ny fanazavana voaray hatrany. Nilaza izy fa lasa ataon’ny olona fahatany ny fanaovana firaisana ara-nofo satria tsy mahay ny tena dikany sy ny fiasan’izany izy ireo. Lasa manao “masturbation” ny ankizy, mirongatra ny fanolanana… Antony mahatonga izany, raha ny fanazavan’ny mpitsabo nanaovana fanadihadiana. Eo ny fiparitahan’ny sary sy ny horonantsary ma­moafady eny anivon’ny tambajotra an-tserasera. Eo koa ny tsy fanajana ny hasin’ny aina, ny tsy fitsinjovana ny hoavy sy ny tsy fahampian’ny fifanakalozan-kevitra eo amin’ny ray aman-dreny sy ny zanaka ary ny firongatry ny herisetra isan-karazany eo anivon’ny fiarahamonina…

Famaritana ny zon’ny ankizy mikasika ny fahasala­mana ara-pananahana

Manana zo hisitraka ny fahatanorany ny ankizy iray. Raha sendra tafiditra ao anatin’ny firaisana ara-nofo anefa izy, mila fitandremana tsara ny fandraisana an-tanana azy. Araka ny article 311 amin’ny Code Pénal malagasy, mikasika ny fahasalamana ara-pananahan’ny zatovo sy ny tanora, voalohany, ny ankizy latsaky ny 14 taona, heverin’ny lalàna fa tsy manana fahafaha-mandinika hahalala ny mahasoa sy ny maharatsy azy, na nanaiky aza izy ny hanao firaisana ara-nofo. Faharoa, ny ray aman-dreny no tompon’andraikitra voalohany amin’ny zanany. Izy ireo no miandraikitra ny fitaizana sy ny fanabeazana azy.

Hialana ny fady eny amin’ny fiarahamonina

Mbola sarotra eto Madagasikara ny firesahana mahakasika ny firaisana ara-nofo eo anivon’ny fianakaviana. Fady mihitsy izany, araka ny hevi-draikitry ny fiarahamonina maro. Tsy ao anatin’ny kolontsaina malagasy ihany koa ny firaisana ara-nofo eto amin’ny Nosy. Mangina sy miandry ny fahalehibeazan’ny ankizy, araka izany, ny ray aman-dreny vao sahy miresaka izany. Vokany, manafina sy manao hadalana any ivelan’ny trano avokoa ny ankamaroan’ny tanora, indrindra eo amin’ny sehatry ny fanaovana firaisana ara-nofo. Raha ny zavatra tsapa, manana olon-tiana ny zatovo, tia mijery sarimihetsika mamoafady… « Mila hialana ny hevi-draikitry ny fiarahamonina fa fady ny firesahana ny fananahana eo anivon’ny tokantrano mba hiarovana ny tanora sy ny ankizy eto Madagasikara », hoy hatrany ny Sexologue, Dr Andriamasinirina Jureville.
Mila manokana fotoana ho an’ny zanaka ny ray aman-dreny isan-kariva mba hiresahana mahakasika ny fananahana. Mila hazavaina aminy fa tokony hianatra hifehy ny faniriany hanao firaisana izy. Ampahafantarina azy ihany koa ny vokatry ny firaisana ara-nofo aloha loatra eo amin’ny tanora. «Tsy kilalaon’ny fahafinaretana fotsiny fa fomba fananahana ahazahoana faramandimby ny fanaovana izany », hoy hatrany ny Sexologue. Alavirina ny fandrarana amin’ny tsy misy antony atao amin’ireo zanaka ao an-trano.

Nanatontosa : Mino

Partager sur: