Lavon’ny polisim-pirenena ny alin’ny talata alina teo ny jiolahy iray isan’ireo saika hanafika teny Ambohimirary. Azo ny basy ny nampiasainy, karohina fatratra ireo namany.
Nanakoako ny feom-basy teny Ambohimirary ny talata teo tokony ho tamin’ny 11 ora sy sasany alina. Nifampitifitra tamin’ny polisy ireo andian-
jiolahy saika hanafika trano teny an-toerana. Tsy nahatohitra ireo mpitandro filaminana anefa ireo olon-dratsy. Vokany, jiolahy iray lavo, azo nandritra izay koa ny basy vita gasy nampiasainy. Ankehitriny, atao hazalambo ireo namany izay tafaporitsaka tamin’ny fifandonana.
Saika hanafika trano iray teny an-toerana ireo jiolahy mitam-basy no nifanehitra tamin’ireo polisy mpanao fisafoana teny amin’ny arabe. Nanapoaka basy avy hatrany anefa ireto olon-dratsy vantany vao nahatazana ireo polisy. Etsy ankilany, tsy nanaiky lembenana ny mpitandro filaminana. Raikitra ny fifampitifirana. Lavo voatifitra ny iray tamin’ireo mpanafika. Azo teny aminy ny basy poleta nampiasainy. Tafaporitsaka kosa ireo namany hafa. Ankehitriny, ifampitadiavan’ny polisim-pirenena ireo jiolahy tafatsoaka tamin’ity raharaha ity.
Tsy tanteraka
Taorian’izaya, nalefa eny amin’ny tranom-patin’ny HJRA ny vata-mangatsiakan’ilay jiolahy lavo. Voasoroka ihany koa ny teti-dratsin’ireo olon-dratsy. Ankoatra izay nogiazana ihany koa ilay basy azo teny amin’ilay jiolahy.
Tsy mitsahatra ny fisafoana ataon’ny polisim-pirenena eny rehetra eny na atoandro na alina. Indrindra any amin’ireo toerana mafana sy be olona eto andrenivohitra sy ny manodidina. Tsiahivina fa vao tao anatin’ny tapa-bolana monja niisa sivy ireo jiolahy lavon’ny polisy raha 106 isa kosa ireo voasambotra tamina raharaha maro samihafa.
Henintsoa Hani