Firongatry doro ala : fasana miisa 7 kila forehitra niaraka tamina taolam-paty

Hotohoton’ny afo niaraka tamin’ireo fasana fito ny taolam-balo tao anatiny vokatry ny doro ala tao Ambatomiritika anatin’ny fokontany Sahamelo­ka kominina ambanivohitra Fa­nandrana disitrikan’ i Toama­sina faharoa ny alahady 4 de­sambra tolak’ andro teo. May ireo razana tao an-davaka ary tsy nisy azo noraisina intsony ny fasana nitafo ravim-potsy. Misy tamin’ireo nitafo fanitso tsy hita intsony. Raim-pianakaviana iray manana tanimboly tsy lavitra no nivezivezivezy teo akaikin’ireto fasana lasi­batry ny afo ireto araky ny voka-panadihadiana. “Mifoaka sigara, izy ka mety nanipi-tsipy ny tain’izany teny rehetra teny ary niteraka firehetana teo amin’ireo ravin-kazo”, hoy ny lehilahy iray nijoro vavolombelona. Saika niharan’ny fitsaram-bahoaka taorian’io ilay voatondro ho fototry ny afo rehefa nirongatra nisambotra azy ny fokonolona. Tonga ara-potoana ny zandary ka nandray an-tanana ny raharaha. Atolotra ny fampanoavana anio ity raim-pianakaviana ity.

Mitaky sazy ara-drazana

Nandritra ny firesahana tamin’ ireo tangalamena notarihan’ i Telolahy Bertrand avy ao Ambodimbonara misahana an’ ireto fasan-drazana miisa fito niharan’ny fahamaizana ireto, tsy ampy ny fampidirana am-ponja sy ny sazy ara-panjakana. Mangataka ny fampiharana sazy aran-drazana atao hoe “Sasa Forohagna” izy ireo ka hiantohan’ ilay voampanga ny lamba fotsy 10 metatra isaky ny lavaka hamonosana ireo taolana sisa tsy may, omby miisa fito, vary 10 kitapo amin’ny 50 ki­lao, sira  sy siramamy 20 kilao isany isaky ny fasana fito, limonandy 10 tavoahangy isaky fa­sana, toaka fito damizana, ity farany izay hanasana ny razana sy fasan- drazana, ankoatr’ ireo fiatohana ny fanarenana ny fa­sandrazana izay may. Ankila­ny,  tamin’ny alalan’ny fifampiresahana tamin’ ireo fianakavian’ny nahavanon-doza kosa dia nilaza izireo fa afaka ary vonona ny hiantoka an’ireo fitakian’ny fianakaviana may fa­sandrazana mba hitsinjovana ny rafi-piaraha-monina.

Sajo/Tsiferana R.

Partager sur: