Unesco – « Réseau du système des écoles associées» : hatsaraina ny fiaraha-miasan’ny samy mpikambana sy ny mpandrindra

Notanterahina, omaly, tao amin’ny foiben’ny Vao­mieram-pirenena malagasy momba ny Unesco, etsy Be­horirika ny fivoriana fanao isan-taona iarahan’ireo se­koly mpikambana ao amin’ny « Réseau du système des écoles associées » sy ny mpandrindra nasionalin’ity sampana eo anivon’ny Unesco ity. Tapaka tao anatin’izany fa anisan’ny ezaka hotanterahina ny fanatsarana ny fifandraisana sy ny serasera eo amin’ny samy mpikambana sy eo amin’ny mpandrindra nasionaly. Ho­sokafana ny « groupe Wats App » hifanakalozam-baovao amin’ny fomba haingana. Tafiditra ao anatin’ny fanatsarana ny fifanakalozana sy ny fifandraisana ary ny fampitam-baovao ihany koa ny fanavaozana ny laharana antso na ny adiresy misy ny sekoly raha toa ka misy ny fiovana. Tanterahina amin’ity taona ity rahateo ny fanavaozana ny firotsahana ho mpikambana ao anatin’ny « Réseau du système des écoles associées ». Tamin’ ny fanisana farany, mahatratra 11.000 ny isan’ny toeram-pianarana sy sekoly mpikambana ao anatin’ity sampana ity miparitaka ao anatin’ny firenena 182. Ho an’i Mada­gasikara manokana, mahatratra 50 ny sekoly ambaratonga fototra sy ambaratonga voalohany sy faharoa mpikambana ao anatiny ka ato anatin’ny Faritra Analaman­ga ny 30 amin’izany.
Nandritra ny fihaonana, omaly, ihany koa no nanatanterahana ireo tatitra mom­ba ny asa notanterahin’ny  « Réseau du système des écoles associées » nialoha sy nandritra ny fihibohana ka hatramin’izao. Noma­rihin-dRandrianary Tamby Ninah, mpandrindra nasionalin’ny  « Réseau du système des écoles associées et clubs Unesco» tamin’izany fa nampiasaina bebe kokoa ny tambanjotran-tserasera noho ny fisian’ny Covid-19.

HaRazafindrakoto

Partager sur: