Zaza roa lahy niara-maty tao Fieferana, omaly. Nilatsaham-potaka tampoka izy roa lahy.
Maty tsy tra-drano nilatsaham-potaka ny zaza roa 6 sy 8 taona tao amin’ny kaominina Fieferana, distrika Avaradrano, omaly. Niverina avy tany amin’ny trano famanizana ireo zaza ireo. Nivatravatra ny kotro-baratra tany amin’io kaominina io, omaly. Nivoaka namonjy ny toeram-pivoahana ireo zaza roa ireo. “Nitodi-doha hiditra ny trano fianarana izy roa ireo no nilatsaka tampoka ny varatra”, hoy ny fanazavan’ny zandary kaomandin’ny zana-tobim-paritra Fieferana. Nitsirara tamin’ny tany avy hatrany izy roa lahy. Tsy nisy afa-nialana nenina intsony. Kilan’ny varatra avokoa izy roa lahy. Nahita ny fahavoazan’ireo zaza roa ireo, taitra ireo mpiara-mianatra taminy. Tsy nisy nahiana ny fahasalaman’ireto farany, araka ny loharanom-baovao.
Kilasy T1
6 taona, kilasy taona voalohany eo anivon’ny sekoly Saint Vincent de Paul ny iray tamin’izy roa lahy maty nilatsaham-potaka ireto. Kilasy zokiny kosa ilay zazalahy 8 taona niharam-boina niaraka taminy. Monina amin’ny fokontany Anjafikely sy Soanarivo, izay anatin’ny kaominina ihany ny fianakavian’izy ireo. Tsy nisy nanampo ny fahavoazan-janany ireo havan’izy roa lahy. Tsiahivina, ankizy miisa roa koa namoy ny ainy tao an-tranony tao Ambilona Tsararavaka, kaominina Andranomanelatra, iray volana lasa. Nipetra-drery ireo zaza ireo tamin’io fotoana io.
Tsiferana R.