Notanana vonjimaika any am-ponja, ny lehilahy iray nanolana ankizivavy 16 taona, tao Miarinarivo, faritra Itasy, afakomaly. Naharay fitarainana ny polisy miasa ao an-toerana fa niharan’ny fanolanana nataon’io lehilahy io ny zazavavy iray, ny 23 febroary teo. Roa lahy, niditra an-keriny tao amin’ ny tokantrano fonenan’io ankizivavy io sy ny zokiny vavy. Nandray zava-mahadomelona izy ireo, araka ny fanadihadian’ ny mpitandro filaminana. Naolan’izy roa lahy ireo, araka izany, ilay ankizivavy. Nitsoaka ireo mpanolana rehefa vita ny filan-dratsiny.
Tsiferana R.