TSELATRA

Vehivavy 17 taona maty natsingevan’ny rano tao Ambalavato, Manakambahiny, distrikan’Ambatondrazaka, omaly. Lasan’ny rano tao amin’ny tanànan’Andoalakana vao maraina io vehivavy io. Nifampitadiavana izy ka natsingevan’ny rano ny fatiny tany amin’ny 20 km miala ny toe­rana nitondran’ny rano azy.

Zazamenavava hita faty nisy nanary tao Mam­pikony, omaly. Ahian’ny fokonolona nanatri-maso fa mety mbola nisy aina io zaza io tamin’ny fotoana nanarian’ireo tsy mataho-tody azy.

Partager sur: