Hanohy ny fiaraha-miasany amin’i Madagasikara ny International finance corporation (IFC) amin’
ny fampandrosoana ny tontolon’ny fiompiana eto Madagasikara. Voaresaka ireo sehatra laharam-pahamehana toy ny ronono, ny hoditra ary ny fitanterana sakafo mora simba. Hojerena ihany ny paikadim-pampandrosoana ny sehatry ny henan’omby.
Tanterahina ao amin’ny faritra Atsinanana ny drafitrasa “Fia Mora” hitsinjovana ireo tokantrano marefo sy hampiakarana ny tahan’ ny fihinanana trondro eto Madagasikara. Tonga nanokatra ny hetsika ireo olom-boafidy any an-toerana sy ireo tomponandraikitra samihafa. Tanjona ny hanohizana ny hetsika toy izao mandavataona.
Nataon’ny minisiteran’ny Asa vaventy (MTP) ny fanarenana vonjimaika ny tetezan’Andranofasika
amin’ny lalampirenena RN4 (PK 451+ 150). Nohamafisina ny tahala amin’ny sisin-dalana, mialoha ny hidirana ny tetezana. Nitarina ny rafibato amin’ny sisin-dalana sy ny haben’ ny sisin-dalana. Napetraka koa ny fenitra famantarana toy ny fandokoana ny fanairana ny mampiasa ny lalana.
Hiara-kiasa ny fikambanana Vondrona Arrupe Madagasikara sy ny minisiteran’ny Tontolo iainana. Ifantohan’izany ny fandaharanasa LIFEE (Life and environemental education), amin’ny alalan’ny tetikasa Fagnarena, izay hiompana amin’ny ady sy ny hiatrehana ny fiovan’ny toetr’andro.