Nifarana teo amin’ny dingana ampahefa-dalana ny lalan’ny ekipan’ny Team Antananarivo, teo
amin’ny «Tournoi phugital basketball», lalaovina amin’ny solosaina sy eny ambony kianja. Fihaonana, tanterahina any Kazan Russie. Resin’ny Russes de la Liga Pro Team, tamin’ny isa 33 no ho 18, Rakotovao Marco sy Raharisoa Aziz, Rick Ley Loubacky ary Rahajaniaina Orlando.
Handray anjara amin’ny fitsarana ny lalao baolina kitra, any amin’ny lalao Afrikanina, tanterahina any Accra Ghana, ny 8 ka hatramin’ny 23 marsa ho avy izao, i Ibenantenaina Romuald Brudo. Izy irery no hany voatendry hisahana izany ho an’ny aty amin’ny faritry ny ranomasimbe Indianina. Marihina fa CRA Sofia ny tovolahy, nanomboka ny taona 2023.
Tonga maro tetsy amin’ny kianja Makis Andohatapenaka, omaly ireo tanora mpilalao rugby, nanaovana fifantenana handrafitra ny Makis de Madagascar, sokajy zandriny U-20. Tsiahivina fa handray anjara amin’ny Barthès Trophy 2024, ny anton’izany. Masontsivana nitiliana azy ireo ny halavana sy ny halehibeazana, miampy ny fahaizam-baolina.
Hotanterahina ny talata 5 marsa ho avy izao, ny lalao ampahavalon-dalana miverina amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Eoropa, taranja baolina kitra “Ligue des champions”. Anisan’ny andrasan’ny rehetra ny fihaonan’ny Bayen de Munich sy ny Lazio. Raha tsiahivina, resin’ny Lazio tamin’ny isa tokana, 1 no ho 0 ny alemà, nandritra ny lalao mandroso.