Nirefodrefotra ny basy! Lavon’ny polisin’ny UIR nanao fisafoana alina ny jiolahy roa lahy nandray anjara tamin’ny fandrobana mpandeha posy tao Tanambao Toamasina, omaly. Norobain’ny jiolahy efa-dahy ny mpandeha posy iray tao Mangarivotra, tamin’ny 2 ora maraina. Nitsoaka nanao tongotra an-katoka ireo mpandroba taorian’izay. Nifanakaiky ny biraon’ny polisy io toerana io ka nandray andraikitra avy hatrany ireto farany. Sarona teo amin’ny lalam-baovao hiditra ny sekoly tsy miankina iray ao an-toerana ireo efa-dahy. Maty voatifitra teo no ho eo ny roa lahy. Mitohy ny famongoran’ny polisy ireo jiolahy.
Tsiferana R.