Hivondrona anaty rafitra iray manan-danja ireo firenena lohalaharana amin’ny famokarana lavanila maneran-tany toa an’i Madagasikara, Ouganda, Papouasie Nouvelle Guinée, Comores. Anisan’ny tombontsoa azo amin’ny fijoroan’ity rafitra ity ny fahamarinan-toeran’ny vidin’ny lavanila eo amin’ny tsena iraisam-pirenena, ny fampiroboroboana sy ny fampandrosoana maharitra eo amin’ny seha-pihariana. Ao anatin’izany ny fahitana tsena vaovao sy ny fampahafantarana ny mpanjifa maneran-tany ny lavanila izay tena mbola natoraly. Resy lahatra tamin’ny soso-kevitra naroson’ny minisitry ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra (MIC), nandritra ny fihaonamben’ny minisitera andiany faha-13, ho an’ny vondrona maneran-tany momba ny varotra (OMC) any Abou Dhabi, Emirats Arabes, ireo firenena mpamokatra lavanila. Nitambatra ny alatsinainy teo ireo mpandray anjara amin’ny hetsika. Hahafahana mamaritra ny vidin’ny lavanila arakaraka ny kalitaony ihany koa ny rafitra, hoy ny MIC. Hodinihina miaraka, araka izany, ny fampiroboroaboana ny fomba fambolena. Voaresaka nandritra ny fihaonambe ihany koa ny fanamafisana ny fiaraha-miasa amin’ireo mpiara-miombon’antoka stratejika, ny fitadiavana lalam-barotra vaovao ho an’ny lavanila natoraly ary ny fampiroboroboana ny indostrian’ny lavanila.
Henintsoa H.