Quartier Cannibale :Tratra ireo jiolahy namono nahafaty teratany vahiny

Saron’ny polisy, afakomaly, ireo jiolahy roa tompon’antoka tamina fanendahana teratany vahiny teny Tanjombato. Notrobaran’ireo olon-dratsy ny antsy ny kibony ka nitarika ny fahafatesany…

Voasambotry ny polisy misahana ny ady heloka bevava sakelika fahadimy (BC5) teny Tanjom­bato, Quartier Cannibale, afakomaly, ireo jiolahy roa voarohirohy ho tompon’antoka tamina vonoan’olona feno habibiana. Raha ny tatitra nampitain’ ny polisy misahana ny heloka bevava, ny 12 febroary 2024 teo, tokony ho tamin’ny 7 ora hariva, teny amin’ny faritra Tanjombato, lehilahy teratany vahiny iray nandeha an-tongotra hamonjy fodiana no niharan’ny fanendahana. Nandritra ny fandalovany teo ambanin’ ny fiangonana katolika no nisy lehilahy telo nanatona azy. Nataon’izy ireo teo afovoany ilay teratany vahiny sady voambana antsy. Tsy nanaiky lembenana anefa ilay niharan’ny fanendahana fa nanohitra ka notrobaran’ireo olon-dratsy ny antsy teo amin’ny tratrany. Lasa nandositra niaraka tamin’ny vola izy ireo taorian’ny fanendahana. Polisy mpanao fisafoana no nahatsikaritra ity teratany vahiny ity nitolefika tamin’ny tany ka nitondra azy teny amin’ny hopitaly. Tsy avotra intsony anefa ny ainy noho ny ratra mafy nahazo azy. Nitohy ny fikarohana nataon’ny polisy ka fantatra fa eny Tanjombato ihany ry zalahy ireto. Taorian’ny fikarohana, tratra tao amin’ny Quartier Canniba­le ny roa lahy, afakomaly. Natolotra ny fampanoavana ka izao naiditra am-ponja vonjimaika izao.

J.C

Partager sur: