Fifidianana Solombavambahoaka : Minisitra maro no mikasa hirotsaka

Tazana matetika eny an-kianja amin’izao, ireo minisitra, araka ny toromarika efa nomen’ny filoham-pirenena, amin’ny tsy tokony hanafanana birao. Fantatra ihany koa anefa fa misy amin’izy ireo no ho anisan’ny hirotsaka ho fidina amin’ny fifidianana Solom­bavambahoaka ho avy io. Anisan’izany, ny minisitry ny Tanora sy ny fanatanjahantena, Resampa André Haja, izay mety ho kandidan’ny volomboasary ao Morondava. Saika tazana any an-toerana hatrany izy, amin’ny maha minisitra mpiahy an’i Menabe azy rahateo, mihaino sy manakaiky ny vahoaka. Jereny avokoa ny sehatra rehetra, toy ny lafiny fampianarana, fambolena, ny fandriampahalemana,…Tsiahivina fa efa manana traikefa eo amin’ny lafiny politika, ny minisitra Resampa Haja. Efa nitana ny andraikitra, Sekretera jeneralin’ny fiadiana ny Repoblika izy ny taona 2009 hatramin’ny 2014. Nisy fotoana efa saika notendrena ho Praiminisitra, ny taona 2023 ary izao misahana ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena izao. Fantatra ihany koa fa mety ho kandidà, ny minisitra Rakotondrazafy Lalatiana. Efa tazana midina ifotony, manamafy ny antoko Freedom, any Faratsiho, Itasy ary Vakinankaratra izy. Toraka izany koa, ny minisitry ny Fanabeazam-pirenena, Sahondra Michelle, izay mety hilatsaka ho fidina ao Fianarantsoa. Anisan’ny anarana mandeha ihany koa, ny anaran’ny minisitra Tokely Justin, izay mety ho kandidà ao Sambava. Misy ireo minisitra teo aloha, toa an-dry Soafilira, i Assoumacou ary i Vavitsara Nancy, izay mety ho kandidà ho Solombavamba­hoaka avokoa.

Mi.Raz

Partager sur: