Raholinarivo Paolo ; “Manara-maso no asan’ny depiote…”

“Tsy hiady na amin’iza na iza izahay, fa tokony hofantarina raha amin’ny fanjakana tan-dalàna: inona no andraikitry ny olom-boafidy? Raha parlemanta izy: mandany lalàna, afa-manolotra lalàna, manara-maso ny asan’ny mpanatanteraka fa tsy manevateva na manambanimbany azy”.

Io ny nambaran’ny filohan’ny Sendikàn’ny adminisitratera sivily (Synad), Raholinarivo Paolo, momba ny depiote voafidy tao Mahajanga II, nanimbazimba ny lehiben’ny distrika. “Tsy idirako ny adin’olona roa lahy fa tsy fantatro ny fototry ny ady, fa ny fantatro: nanevateva mpiasam-panjakana izay solontenam-panjakana manao fanamiana ny depioten’i Mahajanga II”, hoy izy. Mihevitra azy ho inona eto Madagasikara ny depiote? Satria manana tombon-jo parlemantera dia hanao izay tiana hatao. Tsy ny depiote rehetra ny manao an’izay.
Misy ny fisaraham-pahefana sy ny fisarahan’ny asa. Mazava tsara ny asan’izany solombavambahoaka izany ary mazava tsara ny asan’ny mpanatanteraka, raha ny voalazan’ny Lalàmpanore­nana. Lalàna misy didy fampiharana no mifehy ny solontenam-panjakana. Matetika dia matetika ny olom-boafidy no manimbazimba ny olom-boatendry. Inona no antony? Mieritreritra ny olom-boafidy fa avy amin’ny olom-boatendry sy ny mpiasam-panjakana no mahavoafidy azy na tsia. Tsy adminisitratera sivily no eo fa ny mpiasam-panjakana rehetra no zimbazimbain’ireo olom-boafidy mpanao politika, indrindra ny depiote.

R. Nd.

Partager sur: