Nanolan-jafikely : lahiantitra higadra 5 taona

Namoahan’ny fitsarana ambony didy higadra dimy taona an-tranomaizina ilay raim-pianakaviana nanolana ny zafiny vao sivy taona tao amin’ny kaominina Amboli­zana, distrikan’i Toamasina faharoa, omaly. Zanaky ny zanany lahy ity zazavavy kely niharan’ny filàna ara-nofo ity. Napetrak’io zanany io taminy mba handrato fianarana arak’izany ilay zaza. Ny alin’ny 10 aprily hifohy ny 11 aprily 2022 anefa, nandeha tamin’ny toeran-kafa ilay ramatoa vadin’ity raim-pianakaviana ity. Io lehilahy lehibe io sy ilay zafiny irery arak’izany no niambina ny trano. Nesorin-drangahy tamin’izany ny akanjony ary nampihatra ny filàn-dratsiny tamin’io zafikeliny io izy. “Taitra tampoka aho efa tsy misy akanjo intsony izy ary nanao ny filàny”, hoy ilay niharan’ny fanolanana. Nite­raka fanaintainana tamin’io zafikeliny io izany ka nitaraina tamin’ireo ray aman-dreniny ilay zaza. Nametraka ny fitoriana ireto farany ka niroso tamin’ny fisamborana ity na­havanon-doza. Nilaza ho tsy ho tompon’ny tenany fa nentin-javatra ity rangahy talohan’ny nahavoasambotra azy. Valo volana aty aoriana, niroso tamin’ny fitsarana ity raharaha ity ny tomponandraikitra tao an-toerana. Niafara amin’ny fampiharana sazy mihatra dimy taona an-tranomaizina an’ilay lehilahy lehibe izany.

Sajo/ Tsiferana R.

Partager sur: