Nisehoan-javatra hafahafa ny mpianatra 50 tao amin’ny CEG iray ao Tanamakoa, omaly. Nanimbazimba toerana fady tao amin’ny alan-javaboary Ivoloina, Toamasina izy ireo. Nivoaka nanao fitsangantsanganana tao amin’io toerana io ireo mpianatra niaraka tamin’ireo mpanabe, ny asabotsy lasa teo. Kilasy telo izy ireo, samy nanao ny fitsidihana. Noviraviran’ny mpianatra sasany tamin’ireo ankizy ireo anefa ny toerana fady tao anatin’io toerana io. Anisan’izany ny fikasihana ny rano tsy azo isasana. Tsy vitan’io, nalain’ny mpianatra sasany ny vola sy ny lambahoany teo amin’ny toerana iray fanasinana anatin’io ala io. Nirahin’ireo namany hamerina izany ilay ankizy naka ny vola tamin’io andro io. Nentin’ny tahotra, naverin’ny mpianatra sasany ihany ireo zava-pady ireo. Raha ny angom-baovao, efa nifampitantara ireo ankizy ireo, ny alatsinainy maraina fa nanonofy ratsy avokoa, ny alin’ny alahady. Mahita tanana mihosin-dra sy misy manapaka, saingy mbola tsy mihevitra hoe inona no antony. Vokany, nisehoana delira sy firediredena faobe toy ny olona nihetsehan-javatra ireny ireo mpianatra, ny alakamisy maraina teo. Nakana mpiandry noho izany mba hivavaka sy hoe hanala devoly, vokany naaton’ny prefektiora tsy hianatra ary nakatona 48 ora aloha ny sekoly misy an’ity tranga ity.
Sajo.