Fiadidiana ny Repoblika : nivoaka ny anaran’ireo mpikamban’ny HCDDED

Noraisin’ny filohan’ny Re­po­blika ny didim-panjakana lah. 2024-467, tamin’ny 6 marsa, hanamarinana ireo mpikambana voafidy sy voatendry handrafitra ny Filankevitra ambony miaro ny demokrasia sy ny fanjakana tan-dalàna na ny Haut conseil pour la défense de la démocratie et de l’état de droit (HCDDED), araka ny fampitam-baovao avy amin’ny fitaleavan’ny serasera eo anivon’ny fiadidiana ny Repo­blika, afakomaly. Ireto avy ny mpikambana amin’izany: solontenan’ny fiadidiana ny Repoblika, Ranampy Gisèle; solontenan’ny Antenimieran­doholona, Ramarokoto Feno­soa Emile; solontenan’ny An­tenimierampirenena, i Zafi­laza; solontenan’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC), Ranadialison Angelo; solontenan’ny fitsa­rana tampony, Rakotondrainy Samuel Herimandimby Rajaona; solon-tenan’ny Vaomieram-pirenena mahaleo tena misahana ny zon’olombelona, Andriama­nan­tena Jean Marc; solontenan’ny Holafitry ny mpanao gazety (OJM), Ramarosaona James; solontenan’ny Hola­fitry ny mpisolo vava, ny Batô­nier Radson Solo.
Tsiahivina fa miandraikitra ny fanaraha-maso ny fanajana ny toetra fototry ny fahefana, ny demokrasia sy ny fanajana ny Fanjakana tan-dalàna ny HCDDED, araka ny And. 43 ao amin’ny lalàmpanorenana. Eo koa ny fanaraha-maso ny fampiroboroboana sy ny fiarovana ny zon’olombelona. Dimy taona ny fe-potoam-piasany ary tsy azo havaozina.

R. Nd.

Partager sur: