Nanana ny nampiavaka azy ny Malagasy sy i Madagasikara raha ny tontolon’ny kolontsaina, fomba amam-panao, ny fady… Noezahin’ny mpanjakazaka an-tanin’olona nopotehina izy ireny mba hampalemy ny tompon-tany. Maro ireo niova endrika, niova dika, niova bika, sns. Very sy latsaka eo an’elanelan’izany rehetra izany ny tanora miaina amin’izao vanim-potoana izao. Mitady izay hisarangotana sy hiantsampazana !
Nanana, tena nanam-be tokoa ny Malagasy sy i Madagasikara raha eo amin’ny tontolon’ny kolontsaina, fomba amam-panao. Nanjavona tsikelikely anefa izany satria tsy niainana fa notafina ho endrika ivelany fotsiny. Aty ambadiky ny 50 taona, nandany fotoana naharitra tamin’ny fitadiavana ny very ny Malagasy. Ankehitriny, mitaky fanazavana amin’ny raiamandreny ny vanim-potoana sy ny tanora. Miraraka tahaka ny rano ny fanontaniana. Fa maninona no mahafaty renibe ny fandakana ny rindrina ? Fa nahoana no tsy azo atao ny mianatsimo loha ? Tsy maintsy hatodika any andrefana ve ny varavarambe ?… Raha mbola tsy mahavaly ireny fanontaniana ireny ny raiamandreny, sarotra inoana ny hanomezan’ny tanora lanja sy iainany ary hampivelarany ny kolontsainy sy ny fomba amam-panaony amin’izao vanim-potoana « sadasada » diavin’izao tontolo izao, izao. Vokany, toa mandeha anjambany fotsiny ihany ny fanarahana ny fomba. Manjaka ny « honohono ». Fomba iray, nanjary amam-polony maro ny fanazavana ny antony hanarahana izany.
Nanjary tsy mahavaly ihany koa ny raiamandreny!
Fa maninona no tsy mihinana kisoa ny Malagasy? Fanontaniana ihany ny valiny : Tena tsy nihinana kisoa marina ve isika? Na valin-teny bontolo no setrin’ny fanontanian’ny tanora. Fa inona ny antony tsy hihinanantsika voankena ? Valiny : « hano fa ry zareo tany aloha no tsy nitandrina dia kenda, ka nahoana isika no tsy hihinana » ! Tsy mitovy amin’ny taloha intsony ny zava-misy amin’izao vanim-potoana izao. Fahiny, na tsy omena ny zaza sy ny tanora aza ny antony hitandremana ny fady, avy hatrany dia narahin-dry zareo izay nolazain’ny raiamandreny. Na tsy azony eo no ho eo aza, nanam-potoana handinihana ny zava-miafina ao anatin’ireny kolontsaina sy fomba amam-panao ireny ry zareo. Ny ankehitriny kosa mitaky fanazavana sy antony hatrany ny tanora.
Io fifanoherana amin’ny zava-nisy fahiny (tia mikaroka, tia mandalina, nanam-potoana nifanakalozana…) sy ny iainana ankehitriny io no miteraka fisabakana eo amin’ny tanora ankehitriny. Te hanaja sy hanome lanja ny fomba amam-panao malagasy, saingy tsy avelan’ny eritreritra tsy hanaraka ny « rivotry ny ankehitriny » !
Samy mikaroka fa tsy mifampiandry
Ankavitsiana ihany ny raiamandreny, mamaly avy hatrany ireo tanora te hahalala ny momba ny kolontsaina sy ny ambadika fonosin’ny fomba amam-panao, fady, sns. Antony iray ny tsy fahalalana. Noho izany, tsy tokony hifampiandry fa samy mikaroka izay antony nipoiran’ireny kolontsaina sy fomba amam-panao samihafa ireny, na ny raiamandreny na ny tanora. Tsy voatery ho ny raiamandreny irery ihany no hikatsaka ny valiny fa maninona no fady tamin’ny Malagasy ny mampiakatra ny vehivavy eny ambony fasana ?
Mety tsy ho any anaty tambajotran-tserasera ihany koa no ahafantarana ny valin’izany fa any amin’ireo mahatahiry sy mahatadidy. Iray amin’izany ny tontolo ambanivohitra sy ny mponina ao aminy.
HaRy Razafindrakoto