Vovonana Firaisankina : “Mila mailo isika ivelan’ny fitondrana”

Nitondra ny heviny amin’izao volana vitsy mialoha ny fifidianana depiote izao ny eo anivon’ny Vovonana Firaisan­kina, amin’ny alalan’ny mpitarika ny HVM, Rakotovao Rivo. “Efa hita taratra sahady ny fiandaniana samihafa ataon’ ireo tomponandraiki-panjakana isan-tokony. Tsy maintsy mailo isika antoko ivelan’ny fitondrana fa efa manao ny ataony ry zareo mpitondra”, hoy izy. Nohitsiny fa efa mi­setrasetra any rehetra any amin’ny fampiasana ny fahefam-panjakana, olom-panjakana, fitaovam-panjakana ireo tomponandraiki-panjakana sasany amin’izao fotoana izao. Mitarika ho any amin’ny tsy fanarahan-dalàna izy ireo, araka ny nambarany. “Efa notakinay ny hiarahana mijery izany saingy tsy nohenoina…”, hoy ihany izy. Nanterin’ny Vovonana Firaisankina fa mahagaga ny tsy mbola hamoahana ny didim-panjakana momba ny fiatrehana ny fifidianana depiote amin’izao efa akaikin’ny fametrahana ny antontan-taratasy filatsahan-kofidina izao. Mila mihazakazaka milamina ny Vovonana Firaisankina manoloana io tetiandrom-pifidianana io. Mafy ny fepetra ary anisan’ny sakana ilay anto-bola 20 tapitrisa Ar ho an’ireo te ho kandidà. “Tsy afa-manoatra ny mpiara-dia sasany na eo aza ny fitiavan-tanindrazana fa mbola ady mafy amin’ny de­mokrasia ny resa-bola”, hoy ihany izy.

Tsiahivina fa anisan’ny mandrafitra ny Vovonana Firaisankina ny HVM, ny Tim, ny APM, ny Tsara Tahafina ary ny Pro Siteny.

Synèse R.

Partager sur: