RAP Malagasy: mpanakanto vahiny 12 no ho ao amin’ny “Festival Zaza Rap Taiza”

Tombony maro no azo noho ny fisian’ny hetsika sahala amin’itony. Fampiroboroboana ny tontolon’ny Rap malagasy ary tosika ho an’ny mpanakanto miangaly izay gadona izany. Tombony lehibe ihany koa ho an’ny Malagasy mpiondana ny Rap.

Tanterahina ny 8 hatramin’ny 10 desambra 2022, eny amin’ny La­pan’ny Kolotsaina sy Fana­tanjahantena Mahamasina ny “Festival Zaza Rap Taiza”. Hetsika goavana ho an’ny kolontsaina an-tanàn-dehibe sy ny gadona “Rap”. Ankoatra ny mpanao Rap malaza avy eto Madagasikara, vonona ary efa eto an-toerana ihany koa ny ankamaroan’ny mpanakanto vahiny handray anjara amin’ny “Festival Zaza Rap Taiza”. Vahiny nasaina hanafana ity hetsika ity i Sir Samuel, Res Turner, Busta Flex, Youssoupha, Nuttea, Chilla, Noemie, Grodash. Eo ihany koa ry 2Bal sy X-men. “Tanjona ny hanome seho manara-penitra ho an’ny mpankafy kolotsaina sy mozika an-dalambe” hoy i Tovo­lah, mpikarakara sy filohan’ny fikambanana ZRT na Zaza Rap Taiza.
Nisy ny valandresaka ho an’ny mpanao gazety, nataon’ny solontenan’ny mpanakanto vahiny sy mpikarakara ary mpanohana ny hetsika, te­ny amin’ny Centell Antani­mena, omaly. Nanambara i Busta Flex, mpanakanto vahiny fa voninahitra ho azy ireo ny mandray anjara amin’izao hetsika goavana ho an’ny tontolon’ny “hip hop” malagasy izao. Nilaza ihany koa ireto mpanakanto vahiny ireto fa hisy ny fiaraha-miasa amin’ny mpanakanto malagasy, ankoatra ity fampisehoana ity. Antenaina, araka izany, ny hisian’ny fampiaraham-peo eo amin’ny mpanakanto vahiny sy malagasy. “Isan’ny tanjon’izao hetsika izao ny hananganana toerana ahafahan’ny mpanakanto avy any ivelany sy ny eto Madaga­si­kara mifanakalo sy mifandray”, hoy ny mpikarakara.
Hisy koa ny filatrona hanomezana voninahitra ny mpamorona. Ao anatin’izany no hampisehoan’izy ireo ny akanjo novokariny maneho ny ko­lontsaina sy ny mozika “Rap”.

Lin (Mpianatra asa)

Partager sur: