Handatsaka kandidà iraisana ny mpanohana ny filoha Rajoelina Andry. Hivoaka amin’ity faran’ny herinandro ity ny lisitra Irmar.
Hambara amin’ny fomba ofisialy amin’izao faran’ny herinandro izao, ireo ho kandidàn’ny Isika rehetra miaraka amin’i Andry Rajoelina (Irmar) amin’ny fifidianana depiote. Nandalo sivana henjana izy ireo.
Anisan’ny fepetra napetraka ny fanajana ny fitsipika anatin’ny vovonana na ny antoko, araka ny nambaran’ny sekretera nasionaly, Rasoamaromaka Hery. “Eo ny tsy fivadihana palitao. Ny fanatanterahana ny toromariky ny Filoham-pirenena. Eo koa ny fitsipi-pitondran-tena sy ny fanajana ny tamberin’andraikitra ho an’ireo mpifidy azy ireo”, hoy izy.
Efa mamaramparana ny sivana amin’ny hisafidianana ireo ho kandidà izy ireo amin’izao fotoana izao, taorian’ny fanombanana sy ny dingana niainga avy eny ifotony, araka ny nambarany. Nisokatra rahateo amin’ny hery politika hafa koa anefa ny TGV amin’ ny maha vovonana azy. Teo koa ireo vondrona na antoko politika hafa nanohana sy nampandany ny filoham-pirenena. “Antony nampaharitra kely ny famoahana ny lisitra izany noho ny adihevitra tsy maintsy natao”, hoy ihany izy.
Na izany aza, hampahafantarina manetriketrika sy makotrokotroka tsy ho ela izany, araka ny nambarany hatrany. Hentitra anefa ny tenany nilaza fa tsy mbola misy afaka milaza ho kandidàn’ny Irmar aloha hatreto.
Natsidiny fa mikendry ny hahazo ny maro anisa eny amin’ny Antenimierampirenena ny eo anivon’ny vovonana Irmar, indrindra amin’izao nampitomboana ny isan’ny depiote ho 163 izao.
Synèse R.