Antenimierampirenena : miampy 12 ny isan’ny depiote hofidina

Raha 151 ny isan’ny depiote amin’izao fotoana izao, miampy 12 izany. 163 ny depiote hofidina amin’ny 29 mey. Nolanian’ny filankevitry ny minisitra, teny Iavoloha, afakomaly, ny didim-panjakana famenon’ny didim-panjakana lah. 2019-189 tamin’ny 20 febroary 2019 mamaritra ny isan’ny depiote sy ny fitsinjarana ny toerana manerana an’i Madagasikara ary ny fomba famaritana ny fari-pifidianana ho an’ny fifidianana solombavambahoaka.
Ny distrika tsirairay avy no mirafitra ho fari-pifidianana, ary arakaraka ny isan’ny mponina ny famaritana ny isan’ny depiote isaky ny fari-pifidianana. Manana depiote roa ny isaky ny boriborintany enina mirafitra ho distrika enina eto Antananarivo Renivohitra amin’ny maha renivohitr’i Mada­gasikara azy. Manana depiote roa avy ny distrika renivohi-paritany dimy hafa. Manana depiote roa avy ny distrika manana isan’ny mponina mihoatra ny 310 000, manana depiote iray avy ny distrika manana isan’ny mponina latsaka ny 310 000. Tsy misy distrika manana depiote mihoatra ny roa.
Distrika 12 no hanana depiote roa hofidina ao aminy, ankoatra ireo efa nanana roa hatramin’izay: Ambatolampy, faritra Vakinankaratra; Betafo, faritra Vakinankaratra; Antsi­rabe I, faritra Vakinankaratra; Ambalavao, faritra Matsiatra Ambony; Ihosy, faritra Ihorombe; Toamasina II, faritra Atsinanana; Mahanoro, faritra Atsinanana; Mandri­tsara, faritra Sofia; Betioky Atsimo, faritra Atsimo An­drefana; Amboasary Atsimo, faritra Anosy; Ambilobe, faritra Diana, Antalaha, faritra Sava.

R. Nd.

Partager sur: