Razanamahasoa Christine: “Tsy resaka fanoherana no naleha tany Frantsa”

Tonga, afakomaly, avy any Frantsa, Razanamahasoa Christine. Avy niatrika ny fivorian’ny vehivavy filohan’ny Antenimierampirenena maneran-tany izy tamin’izany.

“Fanasana ny vehivavy filohan’ny Anteni­mie­ram­pirenena maneran-tany fa tsy hoe fanasana ny mpanohitra no anton-dia tany”, hoy ny filohan’ny Ante­ni­mierampirenena, Razana­ma­ha­soa Christine, tamin’ny fahatongavany teny Ivato, afakomaly alina, ny amin’ny diany tany Frantsa, izay nihaonany tamin’ny filoha frantsay, i Em­manuel Macron. Ny filohan’ny Antenimierampirenena fran­tsay no nanasa ny vehivavy filohan’ny Antenimierampire­nena maneran-tany. Izay no natrehiny, fa nahazo fanasana manokana izy.
Raharaha anatiny eto amin’ ny firenena ny fifidianana de­piote, fa tsy nifampidinihana tamin’ny filoha frantsay. Ny tena nahamaika tamin’ny dinika dia ny olana amin’ny fahorian’ ny vahoaka malagasy amin’ny tsy fahatomombanana amin’ ny famatsiana herinaratra noho ny fahatapatapahan’ izany matetika sy lava. Tsy ny vahoaka malagasy irery no mi­setra fahasahiranana amin’ izany, fa misetra olana koa ny mpampiasa vola fa tsy mbola araka ny fenitra tokony ho izy ny famatsiana. Efa mipetraka ny fandaharanasa amin’izany fa misy sakana, izay tsy ara-teknika fa miankina amin’ny olona.
Ny Lalàmpanorenana no arahina, fa misy tokoa ny fijerena ny lalàna mifehy ny tetibolam-panjakana hasiam-panitsiana, araka ny namba­rany momba ny tetibolam-panjakana. Zava-dehibe izany fa miankina amin’ny tetibola ny zava-drehetra hahazoana manatontosa ny fandaharanasam-panjakana. Raha vao mandeha ny fivoriana ara-potoana izay apetraky ny Lalàm­panorenana dia manao ny asany ny depiote.

R. Nd.

Partager sur: