“Amin’izao fotoana izao aloha, fa mety mivoatra ny zava-drehetra: izay aloha no hitany fa lalana azo aleha amin’ny famaizana amin’ny raharaha fanolanana. Efa nahazo ny fankatoavan’ny Fitsarana avo momba ny Lalàmpanorenana (HCC) rahateo ny lalàna. Mafy ny lalàna nefa tsy maintsy ampiharina”. Io ny nambaran’ ny mpahay lalàna izay efa filohan’ny HCC teo aloha, Rakotomanana Honoré, ny amin’ny famosirana amin’ny fehezan-dalàna famaizana amin’ny raharaha fanolanana zaza tsy ampy taona.
Misy milaza hoe aleo sazy mandra-pahafaty ihany ny lalàna. Atokisana ve fa tsy hanao fanolanana intsony izay voasazy mandra-pahafaty ary tsy hivoaka ny fonja? Raha vao tafavoaka ny fonja izy, manao ny ataony indray. Marina fa ny And. 8 amin’ny Lalàmpanorenana dia milaza fa tsy misy olona azo ampahoriana, saziana na ampijaliana amin’ny fomba tafahoatra sy tsy mendrika manetry ny maha olombelona. Nefa any amin’ny And. 21 dia milaza fa ny fanjakana no miantoka amin’ny alalan’ny famoahan-dalàna sy ny fananganana rafitra mpiahy mifanentana amin’ny fiarovana ny fianakaviana mba hahazoany mivoatra tsara, ka ao anatin’ izany indrindra ny fiahiana ny reny sy ny zaza.
Rehefa hijery ny Lalàmpanorenana ka te hitady ny heviny: jerena ny any aloha sy ny any aoriana ary vakina hatramin’ny farany. Milaza ny foto-dalàna ny any aloha, fa ny aoriana no mazava bebe kokoa. Ny any aoriana no mahery no ho ny any aloha: ny And. 21 no mahery no ho ny And. 8 amin’ny fitadiavana ny hevitry ny lalàna.
R. Nd.