Filoha Rajoelina Andry : “Tsy maintsy tadiavintsika ny hampandrosoana ny firenena”

Nandray ireo delegasiona avy amin’ny Biraon’ny Firenena mikambana misahana ny fanohanana ireo tetikasa (Unops ) sy ny Banky iraisam-pirenena ny filoha Rajoelina Andry, omaly, teny Iavoloha. Niompana amin’ny tetikasa fampandrosoana ny dinika tamin’izany.

Nihaona fanintelony, teny Iavoloha, ny iraka notarihin’i Seck sy ny fitondram-panjakana malagasy, omaly. Nambaran’ny filoha, Rajoelina Andry, fa: misokatra amin’ny fiaraha-miasa marolafy ny tenany mba hanatanterahana ny tetikasa samihafa. “Tsy maintsy tadiavintsika amin’ny fomba rehetra ny hampandrosoana ny firenena sy ny vahoaka malagasy”, hoy izy.
Nodinihina manokana nan­­dritra ny fivoriana ny fiaraha-miasan’i Madagasikara mi­a­raka amin’ny Unops. Tanjo­na ny fanafainganana ny fanatanterahana ireo tetikasa laharam-pahamehana eo amin’
ny lafiny ara-pahasalamana. Velom-panantenana ny rehetra. Ny fiaraha-mientana toy izao no ahafahana manatratra ny tanjon’ny fampandrosoana voarakitra ao anatin’ny Politi­ka ankapoben’ny fanjakana (PGE). Nohamafisin’ny filoha tao anatin’ny dinika arakasa andiany fahatelo niarahana tamin’ny solontena maharitry ny Banky iraisam-pirenena sy ny Unops ny momba izany. Anisan’ireny ny fampiroboroboana manokana ny fahasalamana sy ny manodidina azy.
Naneho ny fahavononany ireo delegasionina sy mpiara-miombon’ antoka amintsika ireo ny hanolo-tanana hatrany ho amin’ny fanatrarana ny tanjona napetraka ho amin’ny fampandrosoana ny firenena.
Tsiahivina fa anisan’ny niatrika izao fihaonana izao koa ny minisitry ny Fitantanam-bola, Rabarinirinarison Rindra Hasimbelo.

Synèse R.

Partager sur: