Pnud sy ny USAID: nanamafy traikefa ny mpiasam-panjakana ambony

Nifarana omaly, rehefa naharitra efatr’andro ny fanofanana ireo mpiasam-panjakana ambony, teny amin’ny sekolim-pirenena misahana ny fitantanan-draharaham-panjakana (Enam). Angady nanana sy vy nahitana izany ny sekoly sy ny eo anivon’ny Pnud ary ny avy amin’ny USAID.
“Tombony amin’ny fiofanana ny nanabeazam-boho ny fahaizana eo amin’ny haitarika. Ilaina izany amin’ny sehatrasam-panjakana fa tsy voatery ho an’ny tsy miankina ihany”, hoy ny tale jeneralin’ny hetra, Germain. Nanteriny fa tanjona ny fametrahana ny fanjakana tsara tantana ka tonga amin’ny ilana azy izao fanamafisana ny traikefa izao. “Ahafahana mandrafitra stratejia na efa nanana izany aza isika teo aloha”, araka ny nambarany. “Efa misy koa anefa ny paikady vaovao ka azo ampiharina sy hatsaraina izany manomboka izao”, hoy ihany izy.
Maherin’ny 30 ireo mpandray anjara, avy amin’ny faritra dimy, ahitana an’Analamanga, Menabe, Sava, Atsinanana ary Analanjirofo. Anisan’ny niatrika izany ireo tale jeneraly sy ireo sekretera jeneraly ary koa ireo governora isam-paritra.
Nizara ny traikefany tamin’ ny fanofanana kosa ny ma­nam­pahaizana iraisam-pirenena avy amin’ny “Fondation Ayadee”. Niompana amin’ny haitarika ara-stratejia, sy ny serasera mahomby ary ny fitantanana ny ekipa izany. Eo koa ny famahana ny olana sy ny fitantanana manoloana ny fanovana.
Tsiahivina fa mpamatsy vola izany ny eo anivon’ny Pnud sy ny USAID, amin’ny alalan’ilay tetikasa Rindra. Efa nanomboka ny oktobra 2021 izany ary hifarana amin’ny taona 2026.

Synèse R.

Partager sur: